Sport

Ultra Trek des Collines Sacrées de l`Imerina Efa misokatra ny fisoratana anarana


  • Zoma 23 Oktobra 2020

Ho tanterahina ny 20 hatramin` ny 22 novambra izao ny Ultra Trek des Collines Sacrées de l`Imerina (UTCS) taona 2020, fifaninana dian-tongotra arahina hazakazaka, miainga avy eo Ambohitrimanjaka hatrany amin` ny vohitr` Ambohimanga.

 

 

Miisa telo ireo hazakazaka amin` izany fifaninana izany: ny 20 novambra, dia ny Trail Ambodirano no hisantatra izany, izay mirefy 51 km ary hiala ao Ambohitrimanjaka sy hifarana eny Ambatofotsy ; ny 21 novambra indray dia Ambatofotsy mankany Amkadimanga Sambaina, izay mirefy 47 km ary atao mandritra ny adin`ny 13 ora. Ny 22 novambra kosa dia miala eo Ankadimanga mankany Ambohimanga izay mirefy 44 km. Hisy kosa ny hazakazaka manokana izay 23km ka hiala eo Ambatolampikely (RN2) mankany Ambohimanga. Hazakazaka fohy izay atao anatin` ny 8 ora sy sasany ary natokana ho an` ny olon-tsotra. 50 000 ariary kosa ny fandraisana anjara amin`ny fifaninana ary afaka mandray anjara amin` izany avokoa na ireo teratany vahiny na Malagasy. Hitondra tombotsoa goavana ho an`ny tontolo ambanivohitra ny fanomezan-danja ireo vohitra masina eto Imerina.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT