UEFA Champions League Hifandona amin’ny 1

8n-dàlana ny PSG sy Bayern


  • Talata 08 Novambra 2022

Vita omaly tany Suisse ny antsapaka ho an’ny 1/8n-dàlan’ny fiadiana ny amboaran’ny “UEFA Champions league” any Eoropa.

Efa fantatra avokoa ireo hifanandrina dia I Leipzig ≠Manchester City; Club Bruges≠Benfica, Liverpool≠Real Madrid, AC Milan≠Tottenham, Francfort ≠Napoli, Dortmund≠Chelsea, Inter de Milan≠Porto, ary ny Psg≠Bayern. Isan’ny lalao tena heverina fa hiady ny an’ny Paris Saint Germain sy ny Bayern de Munich, izay nifandona foana tao anatin’ireo tao anatin’ny roa taona farany, ka ny 2020 dia resin’ny Bayern tamin’ny famaranana ny PSG, raha toa ka nararaky ny PSG teo amin’ny ampahefa-dàlana ny Bayern. Ry Messi, Neymar, Mbappé no hampiantrano ny lalao mandroso ao amin’ny Parc des Princes ny 14 febroary 2023, ary any amin'ny Allianz Arena kosa ny lalao miverina. Isan’ny lalao andrasan’ny rehetra ihany koa ny an’I Liverpool sy Real de Madrid. Ireto ekipa roa ireto no nanao ny famaranana ny 2018 sy ny 2022 farany teo kosa, saingy lavo hatrany ny Anglisy, ka manala vela izany izy hatreto, raha toa ka hiezaka ny hanohy ny fandreseny sy hitazona ny anaram-boninahitra ihany koa ny ekipan-dry Karim Benzema. Heverina fa hiady avokoa ireo lalao rehetra, fa ireo aloha no isan’ny mitana ny sain’ny maro. Ny 14-15, 21-22 febroary 2023 moa ny lalao mandroso, ary ny 7-8, 14-15 martsa 2023 kosa ny lalao miverina ho an’ny 1/8n-dàlana, ny 11-12 sy 18-19 aprily 2023 ny ampahefa-dàlana, ny 9-10 sy 16-17 may 2023 kosa ny manasa-dàlana, ary 10 jona 2023 kosa no hatao any amin’ny kianjan’I Atatürk any Istambul Turquie. Hialohavan’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany na Mondial 2022 hatao any Qatar afaka 12 andro moa ny ampahavalon-dalan’ny Ligue des champions, izany hoe: ho fararanon’ny baolina ny kitra ny faran’ny 2022 sy ny fiandohan’ny 2023.

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT