Tsy manan-tsafidy intsony ny Barea

Maka isa 4 fara-faha ratsiny, hoy i Njiva


  • Alakamisy 10 Oktobra 2024

Tsy manan-tsafidy intsony ny Barean’i Madagasikara na ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra

amin’io andro faha 3 sy faha 4 amin’ny fifanintsanana ahazoana ny tapakila ho any amin’ny CAN 2025 na ny amboaran’i Afrika atao any Maraoka amin’io taona hoavy io, hoy ny lohalaharana malagasy, Njiva Rakotoharimalala. Mila maka isa 4 fara faha ratsiny isika amin’ireo fihaonana in-droa miantaona amin’i Gambia ireo, hoy izy, taorian’iny isa tokana monja azo taorian’ny fihaonana tamin’i Tonizia sy Kaomoro iny. Azo lazaina ho tokony hitovy ny herijikan’ny ekipa roa tonta, izany hoe isika sy ry zareo gambianina amin’ireo lalao hatao ny 11 sy 14 oktobra ireo satria samy tsy hisy hilalao an-jaridaina ny roa tonta. Miankina amin’ny tekinika sy takitika apetraky ny mpanazatra kosa ary ny fahaizana sy traikefan’ireo mpilalao eny ambony kianja anefa no hahazoana fandresena na tsia, ho antsika malagasy moa izany dia hoe isa 4, araka ny nambaran’i Njiva teo. Azo lazaina mafy ara-taratasy noho ny Barea eto ny gambianina na dia tsy hilaza afa-tsy ny hoe manana klioba daholo ny mpilalao ao aminy amin’izao fotoana izao. Ny antsika kosa dia miisa 10 be izao izany no voambara fa mbola mitady izay klioba hilalaovany izay, mba tsy hilazàna hoe tsy manana klioba, ary na ireo manana aza dia saika milalao amina fifaninanam-pirenena maivana avokoa na dia ireo milalao any Eoropa aza satria divizionina faha 3 ny ankamaroany ary misy faha 5 mihitsy aza.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT