Sport

Tsy fahafahan’i Bolida sy Rayan Mety hanimba, mety hanatsara paikady


  • Alatsinainy 15 Martsa 2021

Azo lazaina ho mety hanimba ny paikadin’ny mpanazatran’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra,

 

 

 Nicolas Dupuis, ihany ny tsy fahafahan’ilay lohalaharan’ny Paris FC, Lalaina Nomenjanahary, hiatrika ireo fihaonana farany miisa 2 amin’ny ekipam-pirenen’i Niger sy Etiopia ny 24 sy 30 martsa izao. Toy izany koa ny momba an’i Rayan Raveloson, izay irakiraka afovoany ao amin’ny Estac Troyes. Samy mandray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena frantsay, divizionina faharoa, moa izy mirahalahy ireto. I Bolida na Lalaina Nomenjanahary, raha tsiahivina no mpilalao mendrika tamin’ny lalao mandroso nihaonantsika tamin’i Niger tany an-toerana ny 19 novambra 2019 teo. Izy no nanasahala ny isa ho 1 noho 1 ary mbola namono ny baolina faharoa nahafahantsika ho nitarika ny isa ka nitohy nandresy tamin’ny isa mavesatra 6 noho 2 rehefa nifarana ny lalao. Rayan koa dia mpilalao mendrika nandritry ny fihaonana tamin’i Etiopia tao Barikadimy ny 16 novambra 2020, izany hoe 3 andro talohan’io, ary izy no nampiditra ny baolina tokana nitondra antsika tamin’ny fandresena. Azo lazaina ho mety hanimba ny paikadin’ny mpanazatra amin’ireto fihaonana miisa 2 ireo ihany, araka izany, ny tsy fahafahan’izy mirahalahy saingy mety hanatsara zavatra ihany koa anefa amin’ny lafiny iray satria handiso ny kajin’ireo ekipam-pirenena miisa 2 hifanandrina amintsika izay mety ho efa nandinika manokana ny hitazomana an’i Bolida sy Rayan.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT