Sport

Tsipy kantibe – Tompondakan’i Madagasikara dingana 1 Nanao poa-droa ny ekipan’ny BIC Ambohimahasoa


  • Alatsinainy 19 Febroary 2018

Tontosa omaly alahady 18 febroary 2018 tetsy amin’ny « boulodrome » CBT Mahamasina ireo lalao famaranana lahy sy vavy olon-droa miaraka amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja tsipy kanetibe 2018 dingana 1.

Nanao poa-droa ny ekipan’ny BIC avy any Ambohimahasoa dia i Daddy sy Lova nandresy an-dRadoko sy Mamy (CBT) 13-5 teo amin’ny lehilahy tamin’ireo mpandray anjara 94 ka notolorana  amboara sy vola 400.000 ariary ary i Lila sy Anna nandresy an’i Cicine sy Ando (3FB) 13-12 teo amin’ny vehivavy nisy mpandray anjara 33 izay nahazo amboara sy lelavola 100.000 ariary ihany koa. Marihana fa mba hahazoana miaro ny anaram-boninahitra maha tompondaka eran-tany antsika dia nampiharina ny raikipohy hanatanterahana dingana 6 amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity mialoha ny hanatanterahana ny Grande Finale (Ekipa 48 lehilahy ary 16 vehivavy) ka izay tompondaka lehilahy dia hiaro ny voninahitr’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany hotanterahina any Kanada amin’ity taona 2018 ity ary izay tompondakan’ny vehivavy kosa dia hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika vehivavy voalohany hotanterahina any Tonizia amin’ny volana jona ho avy izao.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT