Sport

Tsipy kanetibe Vaky ny ady eo anivon'ny FIPJP sy FSBM


  • Alarobia 18 Janoary 2023

Tsy mifandray intsony n'y tadi-dokanga eo amin'ny federasiona iraisam-pirenena ny tsipy kanetibe ( FIPJP) sy ny federasiona malagasy. Raha tsorina dia vaky mihitsy ny ady satria dia mandrahona ny filoha Claude Azéma fa hanao

izay tsy hidiran'ny kanetibe mandritra ny Lalaon'ny Nosy ho avy io. Raha tsy misy ny vahaolana aroson'ny fanjakana malagasy na ny marimarina kokoa ny minisiteran 'ny Tanora sy ny Fanatanjahatena ny amin’ny tokony hamerenana ny volan'i itompokolahy Dolys Radriamarohaja mitentina 238 tapitrisa ariary izay laniny tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany vehivavy sy tanora tany Shanghai ary ny fiadiana tompondakan'ny Afrika lehilahy tany Lomé. Hatreto anefa dia nijanona ho fampanantenana ihany no nataon'ny Tale Jeneraly ny Fanantanjahantena, Rosa Rakotozafy, fa tsy mbola nisy na ariary aza naverina any amin'ny zanaky Dolys Radriamarohaja. Fantatry ny filoha amin'ny antsipiriany ny tantara ary diso fantany loatra fa tsy ny FSBM no fositra saingy tsy maintsy mampitahotra izy. Nolazainy ary fa hataony izay tsy hidiran'ny tsipy kanetibe ho isan'ny taranja hifaninanana mandritra ny Lalaon'ny Nosy. Hataony mifanindry fotsiny ny daty hanaovana ny Lalaon'ny Nosy sy ny fifanintsanana hiadina ny tompondaka eran-tany dia very i Madagasikara. Tsara marihina anefa fa tsy misy hidiran'ny zanak'i Dolys Radriamarohaja intsony ity resaka ity fa i Claude Azéma mihitsy no tsy manaiky ary mitaky ny fangaraharana amin'io vola tsy voaloa io. Hatreto aloha dia ho fahavoazana iray lavaka ho antsika Malagasy io satria medaly volamena sivy be izao izany no mety ho votsotra.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT