Tsipy kanetibe

Tsy misy antony tokony tsy hiantsoana an'i Racle, hoy i Jex


  • Alarobia 11 Septambra 2024

Efa tena lasa resabe eo amin'ny tontolon'ny tsipy kanetibe izao ny mahakadika ireo handrafitra

ny ekipam-pirenena malagasy any amin'ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany any Dijon. Samy manana ny heviny ny rehetra saingy ny hitambarany dia ny hoe tokony manova fa tsy izy ireny nisolo-tena tamin'ny Masters ireny. Ho an'i Jex manokana dia tsy mba mitady toerana izy na dia maro aza no mihevitra fa izy no tsara indrindra eo ampovoany raha aty Frantsa. Maro ireo fifaninanana azony na olon-tokana izany na olon-droa efa fa eo amin'ny fifaninana tifitra aza. Aminy dia tokony ho Racle Christian Andriatseheno no ho hitarika any Dijon ary tsy tokony ho sakana ny fipetrahany any Frantsa fa tsy voatery hanao sivana any Madagasikara ary handray anjara amin'ny fifaninana rehetra aty na koa sivana. Maninona hoy ihany i Jex no ao anaty ekipam-pireneny foana ireo mpilalao izay aty Frantsa toa an'i Farah Ndyaie (Sénégal), Claudy Webel (Belgique) ary Diego Rizzi (Italie) ? Ireo aloha no mafy dia tsy maintsy izay no hiantefan'ny safidy. Eo amin'izay resaka izay anefa dia tsy latsa-danja amin'ny vitan'ireo no vitan'i Racle. Samy atahoran'ny Frantsay ireo ary izay no mahatsara ny fisian'i Racle ao anaty ekipa malagasy any Dijon raha mbola mieritreritra handrombaka ny amboara.
Clément RABARY
Légende : Mpilalao tsipy kanetibe isan’ny ikoizana any Eoropa sy maneran-tany i Christian Andriantseheno
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT