Sport

Tsipy kanetibe Tsy manana kianja intsony Antsirabe


  • Zoma 22 Desambra 2017

Hiditra amin’ny “Grande Finale” ankehitirny ny hetsika karakarain’ny PIF na ny “Pétanque Inter-fokontany” ao Antsirabe ny 23-24 desambra 2017 izao.

Roa taona no nijoroan’ity fikambanana manetsika ny tsipy kanetibe ao Antsirabe ity ka efa nahavita fifaninana goavana in-droa miantoana izy ireo. Raha ny nambaran’Atoa Rafeliarisoa Manjatonirina, filohan’ny P.I.F dia fitrandrahana ireo mpilalao eny anivon’ny fokontany no tanjona amin’ny fifaninanana Inter-fokontany. Loka goavana no hozaraina amin’ity “Grande Finale” izay mahatratra iray tapitrisa Ariary. Nahatratra ekipa 70 ny nandray anjara tamin’ny fifanintsanana. Raha ny fanazavany hatrany dia misy ny fiaraha-miasan’izy ireo matotra miaraka amin’ny Ligin’ny tsipy kanetibe Vakinankaratra. Taranja anisan’ny mampalaza an’i Vakinankaratra, indrindra i Betafo sy Antsirabe ny tsipy kanetibe. Tsy tongatonga ho azy izany fa anisan’ny manandratra ny taranja ny eny anivon’ny fokontany ka anisany ny fikambanana “Pétanque Inter-fokontany”, izay niofo ho “Pétanque In Fair Play” amin’izao fotoana.  Notsiahiviny fa ireo ekipa rehetra nahazo ny amboara goavana iraisam-pirenena farany teo dia saika novolavolain’ny fikambanana avy tamin’ireo fifanintsanana nomanin’izy ireo no nanomanan’izy ireo tena nialoha ny nivoahan’izy ireo tany ivelany. Misedra olana goavana ity taranja ity ankehitriny satria tsy manana kianja hilalaovana intsony ireo tanoran’Antsirabe fa efa nanorenan’ny tompony fotodrafitrasa ny kianjan’ny Karmaly, izay nilalaovana hatramin’izay. Ao amin’ny Star sy ny CFAMA no misy kianja filalaovana saingy andoavam-bola isaky ny misy fifaninanana atao, ka tsy zakan’ny mpikarakara ny hofany.

Caius R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT