Sport

Tsipy kanetibe « Triplette Boss » Amin’ny 3 sy 4 febroary ny dingana faharoa


  • Talata 30 Janoary 2018

Ekipa olon-telo miaraka (Boos 1 sy Elites 2) niisa 34 no nandray anjara tamin’ny dingana 1 amin’ny “qualification 8è Star Master Thailande de pétanque” notontosaina tetsy amin’ny boulodrome CBT Mahamasina ny sabotsy 27 sy ny alahady 28 janoary 2018.

 

Lasan-dry Rija sy Taratra ary Rams ny lelavola 600.000 ariary raha nandresy an’i Hery sy Toutoune ary Radoukou izy ireo tamin’ny isa 13-11 teo amin’ny lalao famaranana. . Nahazo 300.000 ariary ny laharana faharoa.  Ny faha-3 sy faha-4 kosa samy notolorana 200.000 ariary avy. Ekipa 16 no voatazona hiatrika ny “Grande Finale” hotontosaina ny 10 sy 11 febroary izao miaraka amin’ireo ekipa 16 hafa hotazonina amin’ny dingana faha-2 hotontosaina ny 3 sy 4 febroary ho avy izao.

 

Ireo olon-telo miaraka 16 tafita voalohany :

 

1-Rija/Taratra/Rams

2-Hery/Toutoune/Radoukou

3-Dida/Bond/Eric

4-Paps/Lido/ Tita

5-Elie/Daddy/Onja 

6-Rastany/Rado/Rindra 

7-Beryl/Hery /Andry 

8-Haja/Lin’s/Tin’s  ;

9-Joro/Haja/Hery 

10-Jacques/Mamy/Jaba

11-Eric/Tahina/Liva

12-Amir/Lesa/Eric

13-Dolys/Nanou/Zigle

14-Naina/Lavakely/Guy

15-Kiady/Tselonina/Mamy 

16-Jacky/Kola/Cobra.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT