Sport

Tsipy kanetibe –Tournoi UNOH I Jex, Samson ary i Luc no nahery


  • Alarobia 21 Aprily 2010


Tany an-drenivohitr’i Vakinankaratra no notontosaina nandritra ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana tsipy kanetibe ho an’olon-telo miaraka. Nibata ny fandresena nandritra ity fifaninanana ity ny tarika avy amin’ny CBT nahitana an’i Jex, Samson ary i Luc. Isa 13 no 2 no nanilihany ny ekipan’i Gauche. Ny tena henjana tamin’ity tarika avy amin’ny CBT ity dia ny fihaonana tamin’ny tarika avy any Betafo notarihin’i Beryl nandritra ny lalao manasa-dalana. Na dia izany aza, dia isa 13 no 10 no nanilihany azy.
Anisan’ny loka natolotry ny UNOH ny nahazo izay laharana voalohany nandritra ity fifaninanana ity ny tapakila telo mandroso sy miverina Tana-La Réunion- Tana sy fandraisana anjara amin’ny fifaninanana hotontosaina any Saint Denis ny faran’ity volana ity.
Nanambara moa i Faly fa tsy hitsanga-menatra ny ekipany mandritra ity fifaninanana ity raha ny zava–bitan’izy telo lahy no jerena.

Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT