Sport

Tsipy kanetibe – Tournoi Mandrato 1 Lasan’i Lala sy Haja ny amboara sy ny 200.000Ariary


  • Alatsinainy 06 Mey 2019

Olon-droa miaraka niisa 31 no nandray anjara tamin’ny fifaninanana tsipy kanetibe “Tournoi Mandrato” andiany voalohany nokarakarain’ny “Association Mandrato” tarihan’ny filohany, Razafimandrato Hanitra,

 

 

 

teny amin’ny kianjan’ny Mikoja Ampasampito tamin’ny sabotsy 04 mey 2019  tontolo andro teo. Lasan’i Lala sy Haja ny amboara sy lelavola 200.000Ar natolotra tamin’izany rehefa resiny teo amin’ny lalao famaranana ry Donné sy ny namany izay notolorana 100.000Ar kosa. Heno teny Ampasampito fa hetsika voalohany nokarakarain’ny fikambanana hatramin’ny niforonany tamin’ny taona 2016 ity notanterahina ity ary natao indrindra hampahafantarana ny fikambanana tamin’ny ankapobeny. Marihina fa hanampy an’ireo zaza sahirana manerana ny nosy no antom-pisian’ny “Association Mandrato” ka mandray ny tolo-tanan’ny rehetra tsara sitrapo amin’izany fa tamin’ity hetsika voalohany ity aloha dia  Atoa Raharijaona Jean François no nanampy azy ireo.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT