Sport

Tsipy kanetibe “Tournoi Cbt” Lasan’i Roger Bloda sy Rindra ny 2.000.000 ariary


  • Alatsinainy 20 Novambra 2017

Lasan’i Roger sy Rindra ny amboara lehibe sy ny lelavola 2.000.000 ariary niaraka taminy teo amin’ny fifaninanana Tsipy kanetibe “Tournoi Cbt”

  notontosaina ny sabotsy 18 sy alahady 19 novambra teo tetsy Mahamasina rehefa nandresy an’i Trema sy Tafita tamin’ny isa 13-08 teo amin’ny lalao famaranana omaly alahady tao amin’ny boulodrôme Cbt Mahamasina. Nanou sy  Lalaina no lavon-dry Rindra teo amin’ny lalao manasa-dalana raha i Solofo sy Solo Kely no nahiliky ry Trema tamin’izany manasa-dalana izany. Lelavola 400.000 ariary kosa no natolotra an’i Trema sy Tafita ary mbola notolorana 15.000 ariary ny ekipa faha-3 sy faha-4 tamin’ity fifaninana ity. Marihana fa na dia somary avoavo ihany aza ny vola naloa ho fandraisan’anjara tamin’ity fifaninanana ity izay tany amin’ny 12 000 ariary isaky ny olon-droa miaraka (nahitana Boss iray) dia nahatratra 41 be izao ireo ekipa nandray anjara.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT