Sport

Tsipy kanetibe Tompondakan’i Madagasikara Lasan’i Lesa sy Cobra ny dingana fahatelo


  • Alatsinainy 09 Aprily 2018

Lasan’i Lesa Ratsimbazafy sy Cobra Rahasintsoa avy amin’ny klioban’ny CBP Sabotsy Namehana ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2018 eo amin’ny taranja tsipy kanetibe sokajy lehilahy.

Resin’izy ireo tamin’ny isa 13-10 teo amin’ny famaranana omaly alahady 9 aprily, tetsy amin’ny boulodrôme Cbt Mahamasina,  ny mpiray klioba tamin’izy ireo dia i Liva sy Onja. Amboara kalisy sy medaly volamena ary fanomezana avy amin’ny Orange sy lelavola 400.000 ariary no azon-dry Lesa sy Cobra raha amboara kalisy sy medaly volafotsy ary lelavola 200.000 ariary kosa no azon’i Liva sy Onja. Teo amin’ny vehivavy dia i Lila sy Ana avy amin’ny Bic Ambohimahasoa no nahery ka nahazo ny 1 hetsy ariary nanoloana an’i Tita sy Nathalie avy amin’ny Unho Vakinà izay notolorana 6 alina ariary. Raha tokony hotanterahina any Antsirabe kosa ny dingana faha-4 amin’ity fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity dia mety hatao eto Antananarivo na any Moramanga izany amin’ny 28 sy 29 aprily ho avy izao.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT