Sport

Tsipy kanetibe tompondakan’i Madagasikara Boss Open Any Fianarantsoa ny 16 sy 17 desambra 2017


  • Sabotsy 16 Desambra 2017

Ny boulodrôme Ampasambazaha any Fianarantsoa no handray ny fifaninanam-pirenena fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Boss Open” olon-telo miaraka lehilahy karakarain’ny federasion’ny taranja tsipy kanetibe eto Madagasikara manomboka anio sabotsy 16 ary hifarana ny alahady 17 desambra 2017.

 

 Ho goavana toy ny mahazatra ny loka ho azon’ny voalohany. Ankoatra ny amboara telo sy ny medaly 3 ary sertifika 3 izay homena azy ireo dia mbola hiaraka amin’ny tapakilam-piramanidina 3 “Tanà-Réunion-Tanà” ihany koa. Ny ekipa hitana ny laharana faharoa kosa dia hotolorana lelavola 600.000 ariary ary ekipa hitana ny laharana faha-3 sy faha-4 dia samy hotolorana lelavola 200.000 ariary avy. Raha ny vaovao farany azo avy amin’ny tompon’andraikitra any an-toerana dia efa saika tapitra tonga any Fianarantsoa avokoa ireo rehetra handray anjara amin’ity fifaninanana izay naroso amin’ny 10 ora maraina ny fanombohany anio.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT