Sport

Tsipy kanetibe – Tompondakan’i Madagasikara Lasan-dry Toutoune sy Mamy ary Yves ny tapakila mankany Tchad Norombahan-dry Toutoune ny anaramboninahitra sy ny tapakilan’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika hatao any Tchad.


  • Alatsinainy 27 Aprily 2015

Ny ekipa olontelo miaraka misy an’i Toutoune, Mamy ary Yves no voahoostra ho tompondakan’i Madagasikara taorian’ny famaranana natao teny Ankatso ny faran’ny herinandro teo rehefa nanilika an-dry Dino, Fy ary Bolo izay ekipa “junior” avy amin’ny Fanatanjahantena-Fianarana tamin’ny isa 13-9 tamin’ny famaranana

. Marihina fa ekipa 48, ireo tafakatra taorian’ireo dingana telo fifanintsanana no niatrika ity famaranana goavana ity. Ry Toutoune izany no hiaro ny voninahipirenena any amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika hatao any Tchad ny 12-14 jona izao.  Tompondaka tamin’ny fifaninanana tifitra kosa i Bali avy any Ambihimahasoa rehefa nandresy an’i Toutoune 50-46 tamin’ny famaranana. Ny ekipan’ny CAP norafetin’i Mialy, Natacha, Lalah kosa no nahazo ny sokajy vehivavy rehefa nandresy ny ekipan’ny Mafiao nisy an’i Miarintsoa, Iarintsoa ary Maeva 13-7 tamin’ny famaranana. Ekipa 19 moa no nifaninana tamin’ny vehivavy. Ekipa 11 kosa no niatrika ny an’ny sokajy “junior” ka voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny CAI nisy an’i Cedric, Ny Avo, Emile izay nandresy ny ekipan’i Betafo norafetin’i Olivier, Jean Louis, Richard (13-4). Mbola hisy dingana dimy moa ny an’ny vehivavy sy “junior” ka izay tafavaoaka tompondaka amin’ny famaranana goavana hatao amin’ny volana aogositra no hisolotena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany hatao any Thailande, ny 31 oktobra hatramin’ny 2 novambra ho an’ny vehivavy ary ny 3-6 novambra ho an’ny “junior”.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT