Sport

Tsipy kanetibe – Tompondaka erantany “Voafitaka hatramin’ny filoham-pirenena”


  • Talata 20 Oktobra 2015

Tsy mbola milamina hatreto ilay disadisa fanendrena ireo mpilalao handrafitra ny ekipa malagasy « junior » sy vehivavy hiatrika ny fiadiana ny tompondaka hatao any Thailande amin’ny faran’ity volana ity.


Nomarihin’ny mpanazatra ny Club d’Ivato Aeroport, Rasetrason Fredy “Bobo” fa tsy mitombina ny fanazavana sy fiarovan-tena nataon’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe, Razafindrainony Beryl teny Iavoloha raha noraisin’ny filoham-pirenena ny ekipa “junior” ho any Bangkok Thailande.
« Fanatevenana ara-teknika sy fanomezana teknisianina no tokony ho nataon’ny federasiona fa tsy fanovana mpilalao. Mikasika ilay fampijoroana mpilalao dimy niatrika ireo dingan’ny fifaninanana nasionaly sy ny fampijoroana mpilalao mihoatra ny 18 taona dia mampieritreritra ihany fa fifaninanana naharitra dimy volana ve dia izao vao miteny an’izany ny federasiona ?”, hoy hatrany io mpanazatra ny CIA io. Mikasika ilay fanomezana tapakilan’ny fiaramanidina handefasana ny ekipa “junior” amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena hafa rehefa tsy mankany amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany any Thailande dia nambarany fa “Voalohany aloha dia tsy nisy fifampiresahana mikasika izany ary tsy azo ekena io fanambatambazana io fa miendrika famerezan-jo ireo ekipa tompondakan’i Madagasikara. Mikasika ilay tsy famaliana ny antson’ny federasiona hanao fampivondronana ka hanenjehana anay ho nanao “acte anti-sportif” dia tsy nisy antso nataon’ny federasiona afa tsy indray mandeha ary izy ireo indray aza no tsy hita tamin’io. Tsy nisy kosa fifampiresahana ankoatra izay. Ny hiatritrehan’ny mpilalaonay io fiadiana ny tompondaka erantany io anie no hitarainanay ka raha niantso tokoa ve ny federasiona tsy efa ho nihazakazaka nanantona izahay ?”, hoy hatrany i Bobo. Tsy nisy filazana taminay mikasika izany fijerena ny isa sy filaharana ho an’ny mpilalao tsirairay nandritra ny fifaninanam-pirenena fa dingana dimy misy famaranana ihany no voalaza ary mandeha miatrika ny fiadiana ny tompondaka erantany izay mpandresy. Hatreto aloha izany dia efa noraisin’ny filoham-pirenena ny ekipa “junior” naroson’ny federasiona izay tsy ny ekipa tompondaka akory. Midika ho fankatoavana anjambany ve izany ? Taorian’ny famitahana ireo mpilalao sy ny klioba dia voafitaka noho ny tsy fahalalana koa ny filoham-pirenena ary nanome tso-drano anjambany, hoy hatrany i Bobo.


Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT