Sport

Tsipy kanetibe Tompondaka erantany ny Malagasy


  • Alatsinainy 05 Desambra 2016

Voahosotra ho tompondaka erantany eo amin’ny taranja tsipy kanetibe ny ekipam-pirenena Malagasy notarihan’Andrianiaina Christian na i Nanou misy an’i Tita « Mims » Razakarisoa, Hery Razafimahatratra ary Lova Rakotondrazafy.

 

 Resiny tamin’ny isa 13 no ho 5 omaly alahady 4 desambra tamin’ny lalao famaranana nampitsanga-nitoetra notontosaina tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny ekipam-pirenena “Beninois” izay vao avy nanintsana ny ekipa frantsay tompondaka farany tamin’ny andiany faha-46 teo amin’ny manasa-dalana. Azo ambara fa nanampy betsaka ny ekipa Malagasy ny fanohanana navitrika nataon’ireo mpijery izay saika somary nihoa-pefy kely noho ny hafanam-po be loatra nanohana ny ekipam-pireneny ary tena tonga maro dia maro tokoa tamin’ity lalao famaranana ity izy ireo. Efa hatrany am-piandohan’ny lalaon’ny Malagasy tamin’ity fifananinana ity dia azo ambara fa “l’homme du match” hatrany i Nanou izay nampiseho fahamotorana feno sy fananana traikefa amin’ny lalao iraisam-pirenena lehibe tahaka itony ka nanavotra ny ekipa Malagasy efa ambivitry ny fihintsanana foana tamin’ireo lalao natrehany. Nahay nankasitraka sy nihoby ireo mpilalao vahiny, indrindra ny ekipa “Beninois” ny mpijery Malagasy saingy tsy nahay nanafina kosa ny lonilony politika misy eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka ankehitriny ka mbola nahasioka indray ireo  solontenan’ny fitondram-panjakana notarihan’ny praiminisitra Mahafaly Olivier izay nanolotra ny medaly ho an’ireo 3 voalohany tamin’ity fifaninanana ity.

ENCADRE

Tompondaka erantanin’ny “Tir de précisions” i Sore  Chan  Mean  (Cambodge)  nahazo isa 36. Faharoa i Bruno ( Frantsa) isa 28.

 Nibata ny “Coupe des Nations” i Canada  nandresy an’i Tahiti 13 no ho 9 teo amin’ny lalao famaranana.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT