Sport

Tsipy kanetibe – Tompondaka erantany Manamafy ny antso alohan’ny dingana avo kokoa ny CIA


  • Sabotsy 10 Oktobra 2015

Efa manakaiky ny fotoana ! Manohy ary manamafy ny fitakiany amin’ny federasiona hampihatra ny lalŕna mifehy ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikata ny klioban’ny CIA (Club d’Ivato Aeroport) izay voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara sokajy vehivavy sy junior.

 

 Tokony ho ireo tompondaka mantsy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany hatao any Thailande ny 31 oktobra-3 novambra ny sokajy junior ary ny 5-8 novambra ny vehivavy. Ny fitsipiky ny fifaninanana mantsy dia milaza fa izay ekipa tompondaka no misolotena an’i Madagasikara amin’io fiadiana ny tompondaka erantany io. Tompondaka nasionaly tamin’ny junior moa Andriamanga Jery Bolo, Ranarisoa Miharilanto Papou, Andrianiaina Tahirisoa. Tompondaka vehivavy kosa Rasoaniaina Margueritte, Ramihajarisetra Hanitriniavo ary Rakoto Harintsoa Vololoniaina. Nanomboka ny 15 septambra ny federasiona no niantso ny klioba hiroso amin’ny fampivondronana ary taorian’io no nilazany ihany koa fa araka ny toromariky ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena dia mila hatevenina ny ekipa ka misy tsy maintsy soloina, roa ao amin’ny junior ary iray ao amin’ny vehivavy. Na ny minisitera aza dia efa nilaza fa tsy mitsabaka amin’ny fandrafetana ireo ekipa nasionaly ireo fa kosa nilaza ny tokony hanarahan-dalàna tsy hanovana ny ekipa tompondaka. Araka ny nambaran’ireo mpitantana ny klioba sy ireo ray aman-drenin’ny mpilalao dia efa hita nanao fampivondronana ireo mpilalao manomana ny fiadiana ny tompondaka erantany ahitana mpilalao junior efatra, anisan’izany i Nosoavina izay mpilalaon’ny CIA teo aloha, tompondaka. Manohy ny fanomanantena ary miandry ny antso ny klioba ary hiroso amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra hentitra kokoa.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT