Sport

Tsipy kanetibe – Tompondaka erantany Lah-1 i Madagasikara, teo alohan’i Frantsa sy Espaina


  • Alatsinainy 09 Novambra 2015

Tsy namokatra loatra ny ekipa vehivavy tamin’ny andiany fah-15 amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny tsipy kanetibe izay natao tany Bangok Thailande.

 

Medaly alimo tokana no azon’izy ireo tamin’ny fifaninanana tifitra, tamin’ny alalan’i Fafah ary raraka tany amin’ny ampahavalon-dalana kosa ny ekipa olon-telo miaraka. Voahosotra ho tompondakan’ny olon-telo miaraka moa i Espaina izay nanilika an’i Thailande-2 tamin’ny isa 13-10 tamin’ny famaranana. Lah-3 kosa i Vietnam sy Thailande-1. Na ireo aza ny vokatry ny vehivavy malagasy dia mbola tafavoaka lah-1 ankapobeny i Madagasikara tamin’iny fiadiana ny tompondaka erantany sokajy lehilahy sy vehivavy niaraka iny noho ny vokatra azon’ireo “junior”. Medaly volamena iray sy volafotsy iray mantsy no efa azon’izy ireo. Lah-2 ankapobeny kosa i Frantsa ary fah-3 i Espaina.

Rasanda Serge

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT