Nanao tatitry ny fandalovan’ny filohan’ny federasiona iraisam-pirenen’ny tsipy kanetibe, Claude Azema telo andro teto Madagasikara omaly ny ekipan’ny federasiona Malagasy tarihin’ny filohany, Razafindrainony Beryl.
Maro ny dinikasa sy fivoriana teknika efa nataon’ity filohan’ny federasiona iraisam-pirenena ity tamin’ireo tompon’andraikitra sy manampahefana eto amintsika ary efa natao hatramin’ny fitsidihana ireo fotodrafitrasa handraisana ny fifaninanana dia ny eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kianja mitafon’i Mahamasina. Mahafeno ny fepetra araka ny fanamarihana ireofotodrafitrasa samihafa ireo. Tetsy ankilany efa naneho ny fahavononany ny fanjakana tamin’ny alalan’ny ministera hitondra ny anjara birikiny amin’ny fikarakarana. Fehiny dia azo atao eto tsara io fiadiana ny tompondaka erantany io ka ny 1-4 desambra 2016 no daty heverina hanaovana azy. Efa tafatsangana ny komity mpikarakara ny fifaninanana ka i Heriniaina filoha lefitry ny federasiona Malagasy no ho filohany. Manomboka amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara hatao amin’ity faran’ny herinandro ity ny fitiliana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena ka mpilalao voafantina no handrafitra ny ekipa Malagasy, ireo sangany, tena mahay sy tsara fitondrantena no hantsoina”, araka ny fanamafisan’ny filohan’ny federasiona Razafindrainony Beryl. Tsiahivina fa efa tompondaka erantany isika malagasy ny taona 1999 ary efa tompondaka lefitra in-droa ihany koa. Ankoatra izay dia efa nahazo ny anarambonihatiry ny sokajy “junior”, efa tompondaka lefitra in-droa ary efa nahazo ny amboaran’ny kaonfederasiona ny taona 2012 natao teto amintsika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.