Tsipy kanetibe, tompondaka eran-tany

Tena lasa resabe ilay ekipa lasa any Dijon


  • Alatsinainy 23 Septambra 2024

Samy mivoy izay saim-patany ny rehetra mikasika ireo mpilalao malagasy handray

anjara amin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany any Dijon. Tafiditra hatramin'ny Frantsay aza ilay resaka. I Stéphane Robineau izay mpilalao tao amin'ny ekipam-pirenena frantsay dia nilaza mazava fa ny hiantsoana an'i Racle Christian Andriatseheno no vaha olana raha mitady fandresena. Ny mpilalao malagasy any Frantsa dia miombon-kevitra amin'izay saingy mbola nampiany an'i Lesa Kely Haja Ratsimbazafy izay safidy izay. Ho an'Ambohitrimanjaka anefa dia tokony izay ekipa tompondakan'i Madagasikara no mandeha fa ampiana mpilalao fahaefatra izay tokony mahafeno ny banga amn'ilay ekipa tompondaka. Rehefa tsy izay no lalana na dia fantatra aza fa ilaina ny fandraisana anjara ireo Boss izay mamelona mpilalao maro dia tokony misy fifaninana farany ho an'ireo ekipa efatra tsara indrindra ahitana ny ekipa tompondaka, ireo ekipa nofantenan'ny FSBM ary ny ekipa tsy mba nandeha tany Frantsa nefa heverin'ny maro fa mafy. Ny ekipa fahaefatra no ireo izay avy any andafy. Izay tafavoaka amin'ireo ao anaty fifaninana intelo mba ialana amin'ny nahazo ny ekipa UBM izay haratsian'ny sasany hoe kisendrasendra. Ny vokatra azon'i Hery Morondava, Yves ary Donald anefa nanamarina fa mafy ireto Ambohitrimanjaka ireto.Mila manapa-kevitra haingana anefa ny FSBM amin'izay hataony satria miankina betsaka amin''izany ny handraisan'ireo klioba anjara amin'ny fiadiana izay tompondakan'i Madagasikara ho avy io any Antsirabe.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT