Tsipy kanetibe - tompondaka eran-tany 2019 Tafakatra 1

8-ndalana avokoa ny solontena Malagasy


  • Zoma 22 Novambra 2019

Rehefa avy nahazo ny vokatra : Madagascar-Usa (13-3), Madagascar-France (3-13), Madagascar-Cambodge (13-6),

 

Madagascar-Rep.Tchèque (13-3), Madagascar-Laos (13-4) ny ekipa Malagasy sokajy tanora tany amin’ny tanànan’i Phenom Penh any Cambodge hanatanterahana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny taranja tsipy kanetibe sokajy vehivavy sy tanora andiany faha-17, dia niatrika ny lalao 1/8-ndalana nikatroka tamin’i Pologne omaly alakamisy 21 novambra 2019. Ny sokajy vehivavy Malagasy kosa rehefa avy nandresy an’i Rep Tchèque 13-3 teo amin’ny « cadrage » dia tafakatra ihany koa teo amin’ny lalao 1/8-ndalana ary nihaona tamin’i Thailand, mbola  omaly alakamisy 21 novambra 2019 ihany. Anio Zoma 22 novambra dia ny dingana famaranana eo ain’ny « Tir de Précision Jeune sy Femme » ary ireo lalao 1/4-dalan’ny olon-telo miaraka vehivavy sy tanora no arahina.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT