Tsipy kanetibe

Tena ilaina i Hery Morondava


  • Alatsinainy 09 Septambra 2024

Nakana lesona betsaka iny fa fandalovan'ny mpilalao malagasy maromaro tany Frantsa iny.

Raha tena mijery amin'ny fo tsy miangatra mantsy dia tena diso safidy ny FSBM tamin'ireo mpilalao nandray anjara tamin'ny Masters.Mila mpitarika ny ekipa ary izay no tena tsy ampy.Teo izany aloha i Racle izay nanao fahagagana ka namadika ny filaharana izay handray anjara amin'ny Final Four an'ity Masters ity. Porofo izany fa muankina amin'izay mitarika ny lalao ny vokatra ary eo no mivoaka tao anaty lisitra ny anaran'i Hery Ratsimba Morondava.Tsara ny vokatra nataon'ity ekipa tompon'ny Amboaran'i Madagasikara ity na dia tsy tabilao tao anatin'ny fifantenana natao tany Antsirabe aza izany Hery Morondava izany.Io anefa fa noporofoiny hoe voafehiny tsara ny lalao ary maro ireo vazaha sangany nofaizin'izy sy Yves ary Donald.Izay no hilazana fa tokony ho ao anatin'ny ekipa hiady ny Amboara eran-tany i Hery Motondava.Mazava ho azy fa raha maka lesona amin'ny filaharana notontosain'ny Frantsay taorian'ireo "National" tany dia ho sarotra ihany koa ny hanilika an'i Zigle sy Tina Kely.Eo amin'ny toeran'ny mpanazatra no tokony misy ny Dokotera Rabearijao Andrianirina izay efa tena voky traikefa raha resaka fifaninana iraisam-pirenena.Vokatra no jerena ka tsy tokony atao kitranoantrano indray ny hifidianana izay mandeha eo.
Légende: Hery Morondava, endrika diso fantatry ny tontolon'ny kanetibe eto Madagasikara.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT