Sport

Tsipy Kanetibe Tandindomin-doza


  • Alarobia 11 Janoary 2023

Miakatra CODIS ( filankevitry ny fitsipi-pifehezana) eo anivon'ny Federasionina iraisam-pirenen’ny taranja tsipy kanetibe ny filohan’ny federasionina Malagasy Amir Andriamilevason.

Izay no vaovao vara-datsaka ny herinandro teo. Vaovao tsy nampoizina satria raha ny tsy nandoavana ilay 10 000 euros tany Santa Suzanna nandritry ny fiadiana ny tompondaka eran-tany teo amin'ny vehivavy sy ny tanora izay nahatonga ny sazy fampiatoana an'i Madagasikara dia efa milamina iny satria efa voaloa tamin'ny vola nomen'ny orinasa Star. Tsy nijanona teo anefa iny fa ny fahitany ny Filoha Claude Azéma tany an-toerana ny minisitry ny fanatanjahatena tamin’izany, Hawel Mamod'Ali sy ny Tale Jeneralin’ ny ministera, Rosa Rakotozafy, no nampitsiry hevitra vaovao ny filoha iraisam-pirenena Claude Azéma. Raha tsorina dia tsy eken'ity farany ny tsy fandoavan'ny Ministera ny volabe an'i Dolys Radriamarohaja izay niantohana ny fandraisana anjara an'i Madagasikara tamin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany tany Chine sy tompondakan'ny Afrika tany Togo. Nivoatra tamin'ny fifampidinihana nisaraka fa haverin' ny ministera ireto vola araky ny fampanantena nataon'i Rosa Rakotozafy. Hatramin'izao anefa dia tsy nisy valiny ary dia maty ihany i Dolys Radriamarohaja izay nanaiky an'io anefa I Claude Azéma ka nampiakatra CODIS an'i Amiroudine Andriamilerovason io. Tsy vitan4io trosa 238 tapitrisa ariary io fa ;bola nanao fihaonana iraisam-pirenena ihany fa tany Nosy Be na dia nahantona aza. I N'Diaye sy Bauer izay mpilalao malaza eran-tany misalotra ny akanjo Boulanciel no tany Nosy Be ohatry ny ady mihintsy.Asa izay ho tohiny fa mampanahy be ihany satria ho avy ny Lalaon'ny Nosy. Raha tahiany ka voasazy tsy ahazo mandray anjara amin'ny tsipy kanetibe i Madagasikara dia ho very medaly volamena sivy be izao isika. Tena tsy azo eritretina ary tsy omen-tsiny koa i Claude Azéma satria raha tsy manam-bola tokoa ve dia afaka mitondra delegasiona mafonja. Taiza ary oviana no mbola nisy hoe ny ministra sy ny DGS no indray tonga any lavitra any. Tena mampieritreritra.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT