Sport

Tsipy kanetibe Tafakatra amin’ny dingana manaraka ny Malagasy


  • Sabotsy 03 Desambra 2016

Niatrika ny fifanintsanana isam-bondrona toy ireo mpifaninana rehetra ny ekipam-pirenena Malagasin’ny taranja tsipy kanetibe amin’ny fiatrehana ny lalao fiadiana ny ho tompondaka eran-tany faha-47 tontosaina eto Madagasikara nanomboka ny alakamisy 1 desambra teo.

 Nahazo fandresena 3 ny ekipa Malagasy tamin’izany raha nihaona tamin’i Ecosse(13-01). Nandresy 13-7 an’i Suède ary nandresy 13-1 an’i Niger. Nizaka faharesena 2 kosa nanoloana an’i Luxembourg 9-7 sy Bénin 13-9. Tafakatra hiatrika ny “Poules de 3” izany ny ekipa malagasy ka raha anisan’ny 2 voalohany dia hiatrika ny dingan’ny ampahavalon-dalana indray. Ireo ekipam-pirenena 24 nihintsana tamin’ny fifaninanam-bondrona kosa dia hiatrika avy hatrany ny fifaninanana “Coupe des Nations”. Marihana fa nisongadina ny fananan’ny mpilalao Andrianiaina Christian na Nanou traikefa amin’ny lalao goavana tahaka itony ka nanavotra hatrany ny ekipa Malagasy.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT