Sport

Tsipy kanetibe “Star Master Thaillande” Lasan’i Jacky(Vazà) sy Pa ary Hery ny tapakila mankany Bangkok


  • Talata 13 Febroary 2018

Tontosa teny Ambohimangakely tamin’ny sabotsy 10 sy alahady 11 febroary teo ny hetsika “Grande Finale” tamin’ny ilay fifaninanana tsipy kanetibe “Qualification 8è Star Master Thaillande de Pétanque”

ka nandraisan’ireo olon-telo miaraka niisa 32 tafita tamin’ny dingana 1 sy faha-2 notontosaina ny 27-28 janoary sy ny 03-04 febroary 2018 tetsy amin’ny boulôdrome Cbt Mahamasina. Lasan’i Jacky(Vazà) sy Pa ary Hery ny amboara 3 lehibe sy ireo tapakilam-piaramanidina 3 “Tanà-Bangkok-Tanà miaraka amin’ny Visas rehefa nandresy an-dRija sy Rams ary Taratra 13-9 ry zareo teo amin’ny lalao famaranana. Ireto farany dia notolorana ny lelavola 2.000.000 ariary. Ireo ekipa faha-3 sy faha-4 tamin’ny fifaninanana kosa dia i Hery sy Toutoune ary Radoko sy Bessa sy Lésa ary Dakar dia nahazo ny 500.000 ariary  isanisany avy.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT