Sport

Tsipy kanetibe Resy 13 noho 0 ve dia mitory ny ABMI Ivato?


  • Zoma 12 Aprily 2024

Mitory ny UBM Ambohitrimanjaka ny Amicale Bouliste Mandrosoa Ivato ary milaza fa tsy ara-dalana ny taratasy

nifindran'i Jeannie avy any amin'ny FAM Ambohipo mankany amin'ny UBM. Mety misy fahamarinany ihany saingy raha tany amin'ny taranja hafa dia natao mialoha ny fitarainana. Tokony tsy nety nilalao ny ABMI raha nahalala mialoha fa tsy ara-dalana ny UBM. Izao efa nataon'Ambohitrimanjaka nahita an'i Jakoba (13 noho 0) vao nitory. Fa angaha dia tsy mba nisy fair play. Tokony ho menatra anefa satria i Hery Morondava anie efa veteran e fa i Ronald no tsy hita izay nanaovana ary fa izay notifiriny dia voa daholo na kisoa aza. Tetsy andaniny anefa i Havana nandrandraina tena tsy ohatry ny taloha intsony fony izy niaraka tamin'ny Jeneraly Tahiry.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT