Fantatra tamin’ny alahady 31 martsa 2019 teo tetsy amin’ny kianjan’ny Ans Ampefiloha ireo ekipa 16 voalohany tafita hiatrika ny “Grande Finale 2019”
amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja tsipy kanetibe olon-3 miaraka lehilahy ka ny ekipa nisy an’i Hery-Hery Morondava-Pa nandresy an’i Aly Le Petit-Tafita-Mamy mainty 13-11 teo amin’ny famaranana ny “1ère Etape” no mitarika azy ireo. Marihina fa nahatratra 96 ireo “triplette” nandray anjara tamin’ity andiany voalohany ity ny sabotsy 30 sy omaly alahady 31 martsa 2019. Nambaran’ny filoha lefitry ny FMP “Federasion’ity taranja ity”, Randriamijorozaka Patrick, teny Ampefiloha omaly fa mbola ho eto Antananarivo hatrany no hanatanterahana ny andiany faharoa amin’ity fifaninanana ity ny 20 sy 21 aprily ho avy izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.