Sport

Tsipy kanetibe olon-3 miaraka Fantatra ireo ekipa 16 voalohany hiatrika ny Grande Finale


  • Alatsinainy 01 Aprily 2019

Fantatra omaly alahady 31 martsa 2019 tetsy amin’ny kianjan’ny Ans Ampefiloha ireo ekipa 16 voalohany tafita hiatrika ny “Grande Finale 2019” amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny

 

 

 

taranja tsipy kanetibe olon-3 miaraka lehilahy ka ny ekipa nisy an’i Hery-Hery Morondava-Pa nandresy an’i Aly Le Petit-Tafita-Mamy mainty 13-11 teo amin’ny famaranana ny “1ère Etape” no mitarika azy ireo. Marihina fa nahatratra 96 ireo “triplette” nandray anjara tamin’ity andiany voalohany ity ny sabotsy 30 sy omaly alahady 31 martsa 2019. Nambaran’ny filoha lefitry ny FMP “Federasion’ity taranja ity”, Randriamijorozaka Patrick, teny Ampefiloha  omaly  fa mbola ho eto Antananarivo hatrany no hanatanterahana ny andiany faharoa amin’ity fifaninanana ity ny 20 sy 21 aprily ho avy izao.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT