Sport

Tsipy kanetibe Notolorana 4 tapitrisa ariary avy izy efa-dahy


  • Zoma 09 Desambra 2016

Taorian’ny resabe niparitaka momba ny tokony hankasitrahana manokana ireo mpilalao miisa 4 niaro ny voninahi-pirenena ka nahavoahosotra an’i Madagasikara tompondaka erantany teo amin’ny taranja tsipy kanetibe, dia noraisin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha ireo maherifo omaly.

Raha tsiahivina, ny taona 1999 no nahazoantsika io anaram-boninahitra io ary 17 taona aty aoriana vao tafaverina eo am-pelatanan’ny Malagasy indray izany. Velom-pisaorana ireo mpilalao ary nidera ny herimpon’izy ireo ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fandraisany ireo mpilalao izay notarihin’ny minisitry ny fanatanjahantena sy ny avy ao amin’ny Federasionin’ny tsipy kanetibe. Noho ny fanandratana avo ny voninahi-pirenena dia notolorana vola mitentina 4 tapitrisa ariary avy izy 4 mirahalahy izay nahitana an-dRakotondrazafy Lova, Razakarisoa Tita, Razafimahatratra Hery ary Andrianiaina Christian. Nisaotra manokana ny filoham-pirenena tamin’ny fihetsika sy fankasitrahany ireo ekipam-pirenena kosa ny mpanazatra ny ekipam-pirenena Andriamarohaja David Doris. Nanambara ny minisitry ny fanatanjahantena Andriamosarisoa Jean Anicet fa tsy ho ela ny hetsika goavana hankasitrahana manokana ireo mpilalao sy atleta nanandratra avo ny voninahi-pirenena tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Zava-dehibe ny fankasitrahana sy fijerena manokana ny mpanao fanatanjahantena mba hahatonga azy ireo hiezaka hatrany. Voninahitry ny firenena rahateo no harovana, ka rariny raha tsinjovina manokana ireo hita fa tena miezaka ka mahita vokatra, ka manome voninahitra ny tanindrazana.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT