Sport

Tsipy kanetibe Nodimandry i Gérard Naturel


  • Alatsinainy 06 Febroary 2023

Misaona ny tontolon'ny taranja tsipy kanetibe eto Madagasikara. Nodimandry ny sabotsy 4 febroary lasa teo i Gérard Naturel izayy filohan’ny federasiona malagasin’ny Tsipy kanetibe teo aloha.

Fahavoazana lehibe no nahazo ity fianakaviana ity satria vao herinandro vitsivitsy izay no maty koa ny zokiny,dia tsy iza fa i Henri Roger izay tompon’andraikitra teo anivon’ny kaompania Air Madagasikara. Very olomanga i Betafo, tany niaviany fa very mpitarika mahay koa ny tsipy kanetibe malagasy . Vao tsy ela akory izay dia nandrombaka ilay fifaninanana nokarakarain' ny filoha Rajoelina izy teo alon'ny sokajy zokiny. Fa n'y tena nanamarika ny zava-bitany fony izy nitondra ny federasiona dia ny naha tompondaka lefitra ny ekipa nentiny tany Izmir, Torkia. Resin'ny Frantsay teo amin'ny famaranana i Dolys, Nanou, Bema ary Tiana Tonnerre. Tena mpitondra mahay raha i Gérard Naturel fa izay angamba no lahatra izay manamarina ny fomba fiteny frantsay hoe ny olatra tsara ihany no hohanina. Mandria am-piadanana Prezida.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT