Tsipy kanetibe-National Saint Maur

Lasan'Ambohitrimanjaka ny entana


  • Talata 10 Septambra 2024

Mbola noporofoin'i Hery Morondava Ratsimba indray fa mbola mafy na mitarika eo aloha na

manoro hevitra an'i Yves sy Donald. Azon'izy telolahy avy ao amin'ny UBM Ambohitrimanjaka indray mantsy ny alahady teo ny 31e National tao Saint Maur. Porofo faharoa izao fa raha mieritreritra hanao ny fiadiana ny tompondaka eran-tany any Dijon dia tokony i Hery Morondava no hatap lohany raha toa ka manalasala ny sasasy ny maka an'i Racle. Ne aza atao koa ny mampiaraka azy roalahy ireto izay efa mifankahalala hatry ny ela.Ny zavatra tsy azo lavina amin'ny maha mafy an'i Hery Morondava dia tsy mba nandalo sivana toa ireo hafa rehetra izy telolahy fa amin'ny maha tompon'ny Amboaran'i Madagasikara azy ireo no nahafahany nisitraka ny fanasan'ny Frantsay.Ary na tsy izany ihany aza dia efa nasesiny noresena avokoa ireo mpilalao noheverin'ny FSBM fa sangany. Ny vokatra azon'ny UBM izany dia mandiso tanteraka ny hevitry ny federasiona hanao ekipa voafantina toy ny tamon'ny Masters teo izay Madagasikara no nitana ny rambony.Tokony tsy hiziriziry amin'ny hevi-diso izany ny FSBM ka maka lesona tamin'ny zavatra nitranga tany Frantsa izay milaza fa tsy izy ny fanaovana ekipa nofantenana tany Antsirabe.Efa misy laharana nataon'ny Frantsay io izay manoro mazava hoe iza no iza. Ampiana an'i Hery Morondava fotsiny iny dia...basy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT