Tsipy kanetibe

Nanova famindra ny FSBM


  • Alatsinainy 16 Septambra 2024

Asa aloha raha noho ny fitadiavana izay marimaritra iraisana amin'ny fijerena izay

handrafitra ny ekipam-pirenena any Dijon fa dia nanova famindra ny FSBM.Nanova ireo mpilalao raha ny tena marina mandritra ity National notontosaina tany Chalon sur Saôn ny faran'ny herinandro teo.Lasa iray tarika indray izany i Baloti sy Zigle ary Havana izany hoe olona telo mahafaka kanety ihany saingy raha iny no fandaminana dia mety i Baloti mihintsy no mandeha aloha.Ny ekipa faharoa entin'i Tina Kely no misy an'i Bruno sy Tselonina.Ny ekipa fahatelo indray dia fikambanan'ny olona telo mahay ny toerana rehetra na hoe polyvalent satria dia i Nanou no miaraka amin'i Hery roalahy dia Razafimahatratra Monde sy Ralison Doko. Tany Bron kosa no nandray anjara ireo tompon'ny Amboara Madagasikara farany ahitana an'i Hery Morondava, Yves ary Donald izay samy avy ao amin'ny klioba UBM Ambohitrimanjaka.Ireto aloha hatreto no tena mahay miaraka ary izay no tombony saingy miankina amin'ireo teknisianina ihany no mahita izay alahatra.Ny tsy lavina aloha dia tsy nety ny safidy tamin'ireo mpilalao nalahatra tany amin'ny Masters. Vokatra tena tatsy satria i Madagasikara no nitana ny rambony ka atahorana noho izany ny ho avy satria mety ho esorin'ny Quaterback tao anaty lisitra ny Malagasy.
Clément RABARY
Légende : Havana, Baloti ary Zigle no lasa Mada 1

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT