Tsipy kanetibe

Nandresy indray ry Hery Morondava


  • Talata 13 Aogositra 2024

Tena tsy misy ady hevitra fa dia ho raofin'ireo ekipa malagasy izay nahazo ny Amboaran'i Madagasikara

fatany teo daholo rehefa mety ho fifaninana any Frantsa. Teny niaky ny vazaha nanaovan'i Yves, Donald ary Hery Morondava azy ireo. I Jouffre ilay nandrombaka ny La Marseillaise farany teo anefa no nihaona tamin-dry zalahy nandritra ny famaranana ity fifaninanana tany Puy en Velay ity izay nahitana ekipa 512. Efa nitarika 7 noho 3 anefa ny Frantsay vao namoaka ny tena fahaizany ry Hery Morondava.Samy mahay ity tsipy kanetibe ity fa hafa ny manana mpilalao afaka mitondra ny fifaninana ka mametraka ny safidy hoe hotifitra sa tsia. Izay no tena mahamafy an'i Hery Morondava.Izy no mibaiko sy mankahery an'i Yves izay eo ampovoany ary i Donald no mitifitra .Misy fotoana koa anefa mitifitra daholo izy telolahy. Nijanona teo amin'ny 7 ny isa azon'ny vazaha fa nataon'ny Malagasy fampisehoana ny ambiny.Tena tsara ary lasa manontany tena indray ireo mpankafia marobe hoe tokony ho izt telolahy ireto no alahatra any amin'ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany any Dijon.Mety marina nefa dia apetraka amin'ireo manampahefana ny fandidiana. Ny Thaïlandais izao efa tonga manomana any Frantsa saingy ohatran'ny tsy niova fa toa ireo tompondaka fatany tany Dakar ihany. Safidy io fa dia miandry ny rehetra.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT