Tsipy kanetibe

Nanao poa-droa i Hery Morondava


  • Talata 01 Oktobra 2024

Dia mbola sahy hanova izay tokony handeha any Dijon ihany ve ny FSBM ?

Izay no fanontaniana mipetraka voalohany taorianan'ny nandrombahan'Ambohitrimanjaka ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara tany Antsirabe ny alahady teo. Ireo ihany anefa no efa nandrombaka ny Amboaran'i Madagasikara ary voatery nalefa tsy fidiny tany Frantsa na dia tsy tao anaty safidin'ny FSBM, ny DTN mantsy e. Zao dia nibaribary ny tsy fahafehezana mitantana satria samy tsy hita tabilao ireo hitsikitsika natao hivavahana. Tsy nisy Havana. Tsy nisy Baloti ary mbola samy tsy tao anatin'ny ampahavalon-dalana akory na Hery Monde na i Tselonina. Ireo anefa no efa-dahy an'ngahy Tale Teknika Nasionaly. Dia gaga ny tena. Ary mbola mety ho gaga raha mbola tafiditra ao anatin'ny lisitra hifidiana ireo. Ho sarotra ihany ny tsy haka ireto UBM ahitana an'i Hery Morondava sy Donald izay nampiarahana amin'i Jeannie fa tsy Yves intsony izay nisaafidy hiaraka amin'ny ekipa hafa. Raha amin'ny saina tsy miangatra izany fia tokony Hery Morondava sy Donald no tompon-toerana any Dijon. Mety hanampy aza ireo fotsiny i Tina Kely sy Mamy Ronaldinho izay resy teo amin'ny famaranana tamin'ny isa 13 noho 7. Izay aloha no fijery mahitsy raha te ahita vokatra tsara satria dia efa hita mazava izao fa miova ny sary. I Mamy Mainty izay tena namoiaiky ny rehetra ny nataony no tokony hiady laharana araka izay drafitra hitondran'ny mpanazatra izay tokony ho olona voky traikefa toa an'i Nanou. Ny sisa dia aleo aloha mijery satria tsy ny anarana intsony no mitondra aminnizao andro izao. Tsy hita tabilao intsony ry Tafita sy Toutoune izay tena be mpanohana nefa hatreto aloha dia tranom-pody no vitan'ny vava. Legende : Avy any havia miankavanana Donald, Jeannie ary Hery Morondava.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT