Sport

Tsipy kanetibe Mitaraina ny CB Betafo


  • Talata 10 Oktobra 2023

Tena tsy milamina ity FSBM tarihin'ny Amir Andriamilerovason ity! Izany ny feo mandeha eto amin'ny tontolon'ny tsipy

kanetibe eto Betafo taorian'ny ny nanovana indray ireo handrafitra ny ekipa ho any Bangkok. Resin'ny CB2A teo amin'ny famaranana tamin'ny isa 13 noho 12 ny CB Betafo nahitana an'i Randrianavosoa Ronaldinho. Efa nitarika 12 noho 3 anefa Betafo izay vao tratra. Ary na izay ihany aza dia tokony tamin'ity ekipa tompondaka lefitra no nakana ny mpilalao fahaefatra ho any Bangkok. I Randrianavosoa Ronaldinho rahateo no tena herin'ny CBB ity. Efa tompondakan'i Vakinankaratra ny tovolahy izay vao 17 taona. Efa nahazo ny Tsipy kanetibe Orange ihany koa niampy ny amboara tamin'ny fifaninana nataon'ireo tany miteny frantsay raha nisalotra ny akanjon'ny Lybie. Raha tsorina dia efa zatra ady saingy matoa niditra amin'izao hoe fenoina telo ireo mifanina ny ho mpilalao fahaefatra dia mety efa tsy anisany intsony ity zanak'i Betafo ity. Miady toerana amin'ny mpanam-bola mantsy satria dia avy ao amin'ny Besady Plus i Clarito Andriambelonony ary Fenosoa Antoine mpilalaon'ny BIC Ambohimahasoa no hifaninana aminy. Asa aloha izay hevitry ny mpanazatra Adrien fa mety ho vakiana fotsiny. Betafo anefa hatreto no betsaka mpilalao efa tompondaka eran-tany indrindra satria ankoatra an'i Jean dia tao koa Hery sy Newton tamin'ny juniors. Misy koa ireo efa tompondakan'i Madagasikara imbetsaka raha tsy hiteny afatsy Ndrema sy Nanah ary itompokolahy Dollys Randriamarohaja. Raha tsorina dua renivohitry ny tsipy kanetibe i Betafo ka na izany aza dia tsy tokony hiadin-kevitra ny handehanan'i Randrianaivosoa Ronaldinho. Sa ve atody miady amam-bato manoloana anli Besady sy Dr Zozo Ruchet Rakotovazaha izay fantatra fa hanampy amin'ny fandehanan'ny delegasiona any Thaïlande? Betafo moa mba ho aiza fa ny vidin'ny ovy izao no mba entina mamonjy ilay fampivondronana hatao any Antsirabe. Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT