Sport

Tsipy kanetibe Mitafy henatra ny Malagasy any Frantsa


  • Zoma 30 Aogositra 2024

Mampalahelo. Misy zavatra hafahafa ao. Manala-baraka.Izany no feo re etsy sy eroa taorian'ny

faharesena goavana ny ekipa malagasy mandtay anjara amin'ny Masters.Ny tena sy mahamenatra hoy izy ireo dia ilay nanaovan'ny ekipa Helfrick an'izy telolahy, Hery, Havana ary Baloti, 13 noho 0.Tsy mbola nisy toy izany tanatin'ny 60 taona.Nampibaribary ihany koa iny tsy fanaovana ilay Final Four any Saintes Maries de la Mer fa tsy nety ilay safidy nohindraindraina tany Antsirabe iny.Tsy misy fahagagana ny tsipy kanetibe ary jereo ny Frantsay fa tsy manilika ireo zokiolona izany.Mbola sarotra ny mandresy ureo Philipoe roalahy dia i Quintais sy Suchaud.Na i Henri Lacroix aza tena mbola mahavita tsy toyny antsika tsy mila an'i Racle, Toutoune ary Tafita.Dia lasa mikiribiby amin'ny hevi-diso ny FSBM. Ary na haka tanora aza toa nojerena fotsiny ry Tina Kely sy Zigle.Asa aloha fa aorian'iny faharesena mampitsanga-menatra raha hanova famindra ny FSBM.Mety koa anefa ny manova ary manao fifidianana vaovao sy tena izy.
Clément RABARY 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT