Sport

Tsipy kanetibe Mitady hivadika ny FSBM…


  • Talata 09 Jolay 2024

Niady ny lalao famaranana ny National tany Yzeure ny ekipa malagasy roa.

I Hery Betafo sy Zigle ary Bruno no nandresy an'i Baloti, Havana ary Tiana Kely. Tena tsara ny vokatra raha 97 olon-telo miaraka ireo nandray anjara. Asa anefa izay nahazo ny Federasiona fa toa mihevitra ny efa tafavoaka sahady izy. Nanao fanambarana mantsy ny FSBM taorian'ny fifaninanana tany Yzeure io hoe tafiditra amin'ny fanomanana ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany any Dijon ny volana desambra izao zavatra atao izao. Nirongatra noho izany ireo mpitia sy mikirakira ilay taranja niteny hoe tsy araky ny fifanarahana tany amboalohany anie izany izay namaritra hoe ireo telo tompondakan'i Madagasikara no mandeha miampy mpitifitra tsara iray. Ny tian'ny FSBM ahatongavana angamba dia mety ireo tanora ireo.Tsy izay anefa ny zava-misy amin'izao raha hijery ny vokatra tany Marseille isika fa antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany.Zokiolona telo tokoa no nibata ny fandresena tamin'ny La Marseillaise izay nisy ekioa 2120 izany hoe tsy azo lazaina ho kisendrasendra. Mbola nisy an'i Jouffre izay "patron" aza no niaraka tamin'ny Philippe roalahy dia Quintais sy Suchaud.Toa mampatsiahy sahady ny naha tompondaka eran-tany ny Malagasy tatsy La Reunion nisy an'i Kailas Oukabay izay "patron" niaraka tamin'i Jean Robot Randrianandrasana ary Racl Christian Andriatseheno. Ity farany izay efa sokajina ho zokiolona koa aza dia mbola tafita tany amin'ny manasa-dalan'ny La Marseillaise. Mbola mampametra-panotaniana koa izany ny mikasika ireo mpilalao any ivelany. Tamin'ny herinandro teo fotsiny dia efa nandresy tany anaty fifaninana i Lahatra Randriamanantany ary toy izany koa i Jex Angelo izay samy any Frantsa. Fa tsy misy vokana mandingana koa ka tsy ahazoan'i Taratra Rakotoninosy any Canada. Samy mafy ireo ka tokony jerena izay tena mendrika ho ekipam-pirenena. Ampolon-taonany maro mantsy izay ny Frantsay no nandrombaka ny anaram-boninahitra ary tsy niova fa Lacroix, Suchaud ary Quintais foana fa taty aorina vao nisy an'i Dylan Rocher. Ary dia nety ny azy satria ny tsipy kanetibe dia lalao iraisana ka olona tena mifankahazo sy mitovy hevitra no tafavoaka mandresy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT