Sport

Tsipy kanetibe – Mini-Masters CAI Hisy dingana enina mialoha ny famaranana goavana


  • Zoma 08 Mey 2015

Taorian’ny fahavitan’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy lehilahy olon-telo miaraka dia mikarakara fifaninanana antsoina hoe “Mini-Masters” ny klioba CAI etsy Ambodin’Isotry



. Fifaninanana olon-telo miaraka izy io ary hisy dingana enina mialoha ny famaranana goavana. Isaky ny alakamisy no hanaovana ny fifaninanana etsy amin’ny kianja filalaovana etsy Ambodin’Isotry ka mpilalao 24 hatrany no afaka mandray anjara miatrika ny dingana tsirairay. Ny alakamisy 7 mey teo no nanaovana ny dingana voalohany ka 18 no ekipa nandray anjara. Ny 14 mey ny dingana fah-2, ny 21 mey ny dingana fah-3, ny 28 mey ny dingana fah-4, ny 4 jona ny dingana fah-5 ary ny 11 jona ny fah-6 farany. Ireo ekipa valo mendrika isaky ny dingana, izany hoe ekipa 48 no hiatrika ny famaranana goavana izay hatao ny sabotsy 20 sy alahady 21 jona. Ny mpikarakara no hiantoka ny fanamiana hiatrehana  ireo tafita ny famaranana ary hiantohana koa ny sakafon’izy ireo. Scooter telo no hatolotra ny ekipa mpandresy, fahitalavitra fisaka ho an’ny ekipa fah-2 ary kojakojan-tonkantrano ho an’ny fah-3. Fa isan’ireo hetsika goavana manaraka ato ho ato koa ny fifaninanana ho an’ireo Boss izay hatao ny 16-17 mey ka tapakilan’ny fiaramanidina Tana-Paris-Tana no lokan’izay mpandresy. Aorian’io, ny 24 mey ny fifaninanana fanamarihana ny fankalazana ny fah-60 taonan’ny CBT ka Scooter no loka ho an’ny ekipa mpandresy.

Rasanda Serge

Ambohimpihaonan’ireo mpilalao tsipy kanetibe etsy Ambodin’Isotry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT