Tsipy kanetibe

Mikorontana indray


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2024

Tena misy tsy milamina ny tsipy kanetibe eto Madagasikara.Betsaka ireo mpilalao

na klioba no mitsipaka ilay fifantenana tany amin'ny Masters sy ireo fifaninana manodidina any Frantsa.Dia nivory ireo klioba ao Analamanga fa mitsipaka ny fomba fifantenana ary dia tsy handray anjara amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara olon-droa miaraka notontosaina ny faran'ny herinandro tena amin'ny kianja Fitatatra eny Atsimondrano. Tsy nipetraka fotsiny anefa ny FSBM fa namory ambadika ireo filohan'ny ligy rehetra ary tapak fa fifantenana ihany no hatao satria izany no takizn'ny federasiona iraisam-pirenena.Setriny dia tsy nandray anjara ny klioba maromaro bahitana ny UBM Ambohitrimanjaka, ny Besady, ny PAC Ampitatafika ary ny ABMI. Raha tsorina dia klioba nahazo avaram-patana ireo fony nitondran'i Amir Andriamilerovason ary izay no somary manahirana kely. Rehefa tsy maintsy izay tapakin'ny FIPJP moa no arahina dia mazava koa ny fangatahan'ny mpilalao mba atao mandava-taona taona ny fifantenana ary tsy apetraka amin'ny DTN intsony izay olona tsy nahazo fifaninanana akory gatramin'izay. Tokony fikambanan'olona maromaro no manao izany mba tsy ahatongavana amin'ny zava-misy amin'izao any Frantsa izay tsy tazana ry Havana, Hery Monde sy Baloti ary Tsetse fa toa ry Zigle, Bruno ary Tiana kely indray no mandravarava. Na ireo nahazo ny Amboaran'i Madagasikara farany nahita an'i Yves, Hery Morondava sy Donald izay tsy nandalo sivana aza tena mahavita rehefa any. Ny dikan'izany rehetra izany dia tsy ny sivana no ratsy fa tsy ahitana ny tena mafy ny telo andro nolaniana tany Antsirabe.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT