Tsipy kanetibe

Mbola tsy tafavoaka ny ala i Madagasikara


  • Alarobia 21 Febroary 2024

Mafy no mahazo ny tsipy kanetibe eto Madagasikara.

Efa nanaiky ny toromarika avy amin'ny Filohan'ny federasiona iraisam-pirenena, Claude Azéma, ka nametraka an'i Adrien CB2A, ho filoha vonjy maika nefa hatreto dia mbola tsy nahita mangirana. Mbola tsy mazava rahateo ny valinteny avy amin'ny Ministeran'ny Fanatanjahantena mikasika ilay vola be an'i Dolys Randriamarohaja niantoka ny ekipam-pirenena tany Shanghai sy Lomé, ary izay no mampikatso ny raharaha. Tena mikatso ary manamarina izany ny fandaharam-potoana navoakan'ny FSBM farany izay tsy misy fandraisana anjara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Samy mahafantatra anefa fa ny tsipy kanetibe no hany taranja mety ahazoan'ny Malagasy anaram-boninahitra eran-tany betsaka indrindra.Na ry zareo Frantsay aza dia tena matahotra ny hifanena amin'ny Malagasy.Eo amin'ny laharana fahatelo any Frantsa izao i Rachre Andriantseheno izay efa tompondaka eran-tany niaraka tamin'i Jean Robot sy Kailas tany La Réunion.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT