Tsipy kanetibe

Mbola mafy i Faly Jex


  • Alarobia 10 Janoary 2024

Na dia voasazy aza ny tsipy kanetibe malagasy dia tsy mahasakana ireo mpilalao any Frantsa hamiratra izany.

Isan'izany i Jex na Faly Angelo no ahafantaran'Ambohimahasoa tany nihaviany. Ny taona 2014 rehefa nahazo ny Mondial du Volcan Clermont Ferrand Frantsa, teo amin'ny olon-droa sy olona telo miaraka izy no niampita tany Frantsa ary tonga hatrany amin'ny famaranana ilay fifaninana betsaka mpandray anjara indrindra eran-tany La Marseillaise. Io no nanokatra ny lalany tany Frantsa satria dia mbola azony koa ny Euro Pétanque tany Nice ny taona 2017. Nipetraka tany Lozère i Faly ka efa nandrombaka ny tompondakan'ity tanana ity teo amin'ny olona telo miaraka sy olon-droa lahy sy vavy. Tena nanakoako tany Frantsa ny lazan'i Jex ary tsy mahagaga ny nifindrany nanomboka tamin'ity taom-pilalaovana ity tao amin'ny Team Passion 2024. Fanamby vaovao izay tsy maintsy ho tanterany satria efa mety ny fiainany ary mety ho azy koa ny tsipy kanetibe.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT