Sport

Tsipy kanetibe – Max Sport Club Raikitra ny fihazana ny 2.400.000 ar


  • Sabotsy 29 Aogositra 2015

Raha ny voafaritry ny fandaharam-potoana tany aloha dia fantatra fa nanomboka omaly zoma 28 aogositra 2015 ny fifaninanana tsipy kanetibe “Grand Tournoi Open de Madagascar” karakarain’ny Max Sport Club.

Nifamotoana maro teny amin’ny tany mena filalaovana tenisy an’ity klioba Max Sport eny amin’ny  Zône Zittal Ankorondrano tokoa ny mpitia lalao tsipy kanetibe olon-telo miaraka niisa 37 omaly saingy nambaran’ny mpikarakara teny an-toerana fa ny lalao “Pré-tournoi”  handraisana lelavola 150.000 ar hoan’ny mpandresy sy 100.000 ar hoan’ny resy eo amin’ny famaranana aloha no natao omaly fa ny tena fifaninana lehibe “Grand Tournoi Open de Madagascar”  dia anio sabotsy maraina vao tena hanomboka ka mbola hiantsoana ny mpitia tsipy kanetibe rehetra mbola vonona ny handray anjara hanatevin-daharana ireo namany efa nisoratra anarana fa mbola misokatra tokoa izany mandra-panombohan’ny fifaninanana amin’ny 9 ora any ho any.  Ny olo-telo miaraka Herisson sy Rado ary i Jacky moa no nivoaka ho mpandresy omaly raha nandavo an’i Naina sy Tahina ary i Tiana 13 noho 9 teo amin’ny famaranana. Amin’ity fifaninanana ity aza dia homena tombony mihitsy mba hanao lalao maromaro ireo  resy indrindra ny avy any amin’ny faritra lavitra an’Antananario amin’ny fiatrehana lalao misimisy ka mbola hisy koa ankoatra ny “Grand Tournoi Open de Madagascar”  hatao ny  “Tournoi de consolation” ho an’ireo resy tamin’ny  fifanintsanana tamin’ity lalao ity. Nambaran’ireo mpikarakara, Atoa  Max Andriantefy sy Tatoum zanany faravavy izy anisan’ireo mpikarakara fa ny hampisondrotra ny lentan’ny taranja tsipy kanetibe eo amin’ny sehatry ny matihanina no tanjon-dry zareo nikarakara ity fifaninana ity na dia ny lalao tenisy aza no tena nampahalaza ny fianakaviana. Homena lanja ny fidiram-bola amin’ny fandresena eo amin’ny fifaninanana mba hampisondrotra ny mpilalao malagasy tena hiroso amin’ny mahamatihanina, hoy izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT