Tsipy kanetibe Masters

Afa-baraka ny Malagasy


  • Alakamisy 29 Aogositra 2024

Ela ihany ny ela izay vao nisy ekipa malagasy tsy nitoko izany raha resaka tsipy kanetibe.

Io anefa no nitranga omaly nandritra ny dingana fahatelon'ny Masters tany Romans sur Isère. Nangidy ny rora fa nataon'ny ekipan-dry Helfrick telimoka (13 noho 0) ny ekipa malagasy nahitana an'i Hery Razafimahatratra, Baloti ary Havana. Tena tsy nisy natokona fa tena mamba tifitra nefa dia tsy nahavoa. Tsy misy mampiditra mialoha izany fa tonga dia tifitra vary raraka an- tany. Tena mila olona atao lohany mampiditra izany aloha raha mieritteritra habdrombakz ny Amboara eran-tany any Dijon. Ary tany Isère omaly iny ihany no nampisehoanan'i Racle na Christian Andriatseheno fa voafehiny io toerana io. Porofo mazava ilay nandreseny omaly 13 noho 0 ihany koa.
SAROTRA ATORO
Sarotra atoro anefa ireto ekipan'ny FSBM ireto na dia mibaribary aza fa tena diso kajy sy safidy na irep mpilalao na ireo teknidianina. Mila manova izany fa anatra izao tsy tafita hanao ny famaranana Final Four any Saintes Maries de la Mer ny 8 sy 9 septambra izao. Very vola ihany koa satria ampahany kely amin'ilay 70 000 euros ho zaraina no ho azony raha hisy aza. Tena mahamenatra raha ny vokatra satria taorianan'io fa ny io dia mbola resin'i Dylan Rocher 13 noho 3 indray ry Baloti. Ny andro voalohany tany Romans sur Isère moa dia efa resy 13 noho 4 koa ny Malagasy. Dia mbola saha hilaza ve ny FSBM da nety ny safidiny tamin'ity Masters ity. Ny voaporofo aloha izao dia nahavita kokoa ny ekipa tompon'ny Amboaran'i Madagasikara farany izay nisy an'i Hery Morondava, Yves ary Donald satria nilamina sy nifanara-tsaina izy telolahy. I Rahery izay zokiolona rahateo no nitaroka ny lalao ka manoro ny tokony hatao na manitsy. Fihetsika izay tsy hita teo amin'ny DTN mihitsy tany Frantsa na dia efa nanoro ny tokony hatao aza i Rabearijao hoe misy fihetsika asehon'ny mpanazatra na dia fantatra aza fa tsy mahazo manoro. Maso, tanana ary teny gasy kely dia mety tsy mamba tifitra toy ireny ry zalahy ireto. Ny zavatra tsy azo lavina aloha dia manome rariny ireo tsy nanaiky ny safidy tany Antsirabe iny vokatra iny. Mety tsy hiantso Malagasy koa izao ny tompon’andraikitran'ny Masters. Ary izay vao tena loza. Légende : Nandresy tao amin''ny fifaninana B tany Mulhouse ireto ekipa ireto dia nietitreritra fa ho afaka kinanjo…
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT