Tsipy kanetibe

Mandravarava any Frantsa ny Malagasy


  • Talata 30 Jolay 2024

Fararanon-danonana izao ny tsipy kanetibe any Frantsa.

Misy fifaninana foana etsy sy eroa isaky ny faran'ny herinandro. Fa ny mahagaga dia raofin'ny Malagasy daholo ny ankabeazan'izy ireny afatsy ny Masters ihany angamba satria resy indray mandeha ireo solontenantsika nandahatra an'i Hery Betafo, Havana ary Baloti. Tonga ho azy ny fanontaniana hoe : sao mba diso kajy ary ny FSBM nanao iny sivana vandivandy iny satria ireo telolahy ireo no tsy dia hita anatin'ny efatra farany. Tany Miribel aza dia resin'ireo nahazo ny Amboaran'i Madagasikara farany teo nahitana an'i Hery Morondava, Donald ary Yves ry Masters nisy an'i Tsetse, Havana ary Baloti. Ry Hery Morondava moa no nahazo an'ity Régional iray ity. Fa ny tena mampiaky ny Frantsay dia ny telolahy misy an'i Zlgle, Tina Kely ary Bruno. Nataon'izy ireo mahita ireo sangany frantsay nentin'i Henri Lacroix sy Feltain. Nanaovana tifitra variraraka raha vao 7 noho 6 ny isa ary tonga dia maty ny lalao. Ankoatra ireo mpilalao izay nahitana an’i Eric Rassat izay mazava ho azy fa mahita tombony amin'izao raharaha izao dia mamiratra aty Frantsa koa i Rachr na Christan Andriantseheno izay nahazo ny « Euro-pétanque » farany raha niaraka tamin'i Donovan Lamberger sy Baldwin Magny. Mbola mafy i Rachr hatreto ary misy mihevitra mihintsy aza fa tsy hisy haharesy ny Malagasy any amin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany any Dijon raha miaraka amin'i Zigle sy Tiana Kely izy. Asa aloha fa hahatreto dia mahafehy ny eo ambony kianja tanteraka i Zigle sy Tina Kely na mampiditra kanety na mitifitra. Ary ireo mpanao gazety any an-toerana dia samy miaky izany. Tsy fantatra kosa anefa izay hevitry ny Tale Teknika Nasionaly Jean Rakoto.
Légende: Ireo telolahy isan'ny henjana. Avy any havia miankavanana Zigle, Tina Kely ary Bruno
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT