Tsipy kanetibe

Mandrangaranga sazy ny FSBM


  • Alakamisy 26 Septambra 2024

Kilasiana ho mpanakorontana ireo mpilalao na klioba tsy mandray anjara amin'ny fiadiana

izay ho tompondakan'i Madagasikara hotontosaina any Antsirabe manomboka rahampitso. Izay no didy tsy azo hivalozana noraisin'ny FSBM manoloana ireo fanehoan-kevitra nivoaka ary isan'izany ilay navoakan'ny UBM Ambohitrimanjaka.Mbola navoakan'ny filohan'ny FSBM, Adrien Andrianirina, koa anefa fa tsy azo hiadiana hevitra izay tapaky ny DTN mahakasika ireo tokony handrafitra ny ekipam-pirenena ho any Dijon.Misy anefa hoy ihany izy komity mpanara-maso hatsangana ahita solontena avy amin'ny FSBM, ny ligy ary ny klioba saingy atao inona rehefa tsy afaka manapa-kevitra sa atao arofanina any amin'ny federasiona iraisam-pirenena indray hoe efa izay no tapaka toa ilay fivoriambe tsy ara-potoana farany. Raha ny zava-misy tany amin'ireo lalao rehetra tany Frantsa dia tsy ireny nanao Masters izay nofidian'ny DTN ireny no tokony alefa indray satria tsy maharesy lahatra. Tsy maharesy lahatra toy izany koa anefa raha sady DTN no mpanazatra fa toerana tokony mba omena ireo mpilalao efa tompondaka eran-tany ary ampy traikefa.Asa ihany izay hiafaran'ity raharaha ity fa manahy ny ady tsy ho raikitra satria efa mandrangaranga sazy sy fitoriana ireto FSBM ireto ho an'ireo olona tsy mitovy hevitra aminy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT