Sport

Tsipy Kanetibe Malagasy Tsy mahazo manao Lalaon'ny Nosy


  • Alarobia 14 Jona 2023

Tsy afaka ny sazy mikasika ny Federasion’ny tsipy kanetibe Malagasy na FSBM ! Izay no vara-datsaka izay efa fantatra taorian'ny fivoriamben'ny FIPJP tamin'ny 19 may lasa teo

Nivoaka ny fanapahan-kevitry fa mijanona ho mpikambana ny FSBM saingy tsy mahazo mandray anjara amin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany eo amin'ny sokajy lehibe ho an'ireo zokiny lahy sy vavy eny fa na dia ireo fifaninanana iraisam-pirenena aza. Tafiditra amin'ity farany ity ny Lalaon'ny Nosy ary efa nampahafantatra ireo firenena mpandray anjara ny Federasiona iraisam-pirenena fa mahavoasazy ny fandikana izany .Noho ny maha tompondaka eran-tany ny tanora kosa anefa dia mahazo mandray anjara amin'ny fiadiana izay ho tompondaka hatao any Bangkok ny volana novambra izao izy ireo ary mahazo mandray anjara ihany ny vehivavy. Nanamarika koa anefa ny fivoariambe fa tsy noho ny tsy fandoavana ny vola tamin'ny fivahinianana tany Santa Suzanna no nahatonga ny sazy fa noho ny tandrevaka teo amin'ny fitantanana ataon'ny FSBM. Tao ohatra ny nanoloana tsy nandalo fifidianana ireo mpikambana nandrafitra ny FSBM , teo koa ny tsy fisian'ny mangarahara ny fitatanana ara-bola sy ny mikasika ny kara-pilalaovana ary ny antoka (assurances). Fa ny tena notsindrian'ny FIPJP dia ny fanaovana ny kanetibe ho fitaovana politika sy ny fitsabahan'ny minisitera mpiahy amin'ny raharaham-pitatanana. Maro raha fintininina ny lesoka tokony mbola amboarina ao amin'ny FSBM ka raha tsy mivaha izany dia mbola lasa sakana amin'ny fandraisana anjara any amin'ny lalao iraisam-pirenena. Efa nivory ny FSBM taorian'iny fanambarana nataon'ny FIPJP dia iny saingy notazonina ho tsiambaratelo izany. Asa noho ny tahotra ny vokatra noho ny tsy fahazoana mandray anjara amin'ny Lalaon'ny Nosy angamba. Nefa raha tena izay tokoa maninona no tsy haverina amin'ny laoniny ny zavatra rehetra na dia haverina koa aza ny fifidianana eo anivon'ny FSBM. Sa natahotra ny tsy ho lany intsony ..Manaraka akaiky ny toe-javatra anefa ny Filohan'ny Federasiona iraisam-pirenena, Claude Azéma, matoa nanery an'i Amir Andriamirolevason hamerina ireo mpikambana nsnorina ny FSBM. Hatreto anefa dia mbola i Nadia Rananitrera ihany no nantsoiny.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT