Sport

Tsipy kanetibe – Malagasy tompondakan’i Afrika Noraisina tamim-boninahitra


  • Zoma 15 Septambra 2017

Tafaverina soa aman-tsara an-tanindrazana omaly alakamisy 14 septambra ny delegasiona Malagasy amin’ny taranja tsipy kanetibe izay nibata ny anaram-boninahitra tompondakan’i Afrika 2017 eo amin’ity taranja ity.

 

 31 ora no faharetan’ny dian’izy 6 mirahalahy avy any Tonizia nihazo an’Ivato Antananarivo fa naharitra ora 7 ny escale tao Tiorkia niampy orra 9 tao Nairobi tamin’izany. Tamin’ny 4 ora tolakandro izy ireo no nigadona tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ka nandraisan’ny Ministera sy ny Tafita ary ireo mpitia tsipy kanetibe azy ireo tamim-boninahitra. Ny Dsf Rakotozafy Rosa no nisolontena ny ministra niarahaba azy ireo noho izao ezaka vitany izao ka nanambara fa ho raisin’ny filohan’ny Repoblika Malagasy miaraka amin’ny taranja haltérophilie sy ireo atleta nahazo medaly tany amin’ny lalaon’ny frankofonia farany teo izy ireo atsy ho atsy. Mendri-piderana sy fanohanana ny taranja tsipy kanetibe nahavita ezaka goavana hoy ny teny fohy nataon’ny filohan’ny Federasion’ny Tsipy kanetibe Malagasy ry aoka tsy ho asiana resaka intsony ilay fifaninanana Masters 2017 fa tsy laharam-pahamehana hoantsika Malagasy iny fifaninanana iny. I Toutoune kosa kapitenin’ny ekipa nasionaly Malagasy dia nanambara fa efa  tena zatra miaraka izahay 4 mirahalahy ireo ka niantoka ny fahombiazanay tany Tunisie izany. Izaho manokana efa fanintelony izao no niatrika an’ity fifaninana ity ary tsisy izay tsy mahafantatra ahy ireo mpifaninana any am-pita ireo. Hisaorako manokana etoana anefa ny coach Dollys izay tena nanampy anay ara-tekinika sy tamin’ny lafiny rehetra mihitsy (ara-tsaina sns…). Nanampy betsaka ny Malagasy, hoy ny SG-n’ny Federasion’ny tsipy kanetibe Malagasy ny naha-tompondakantsika eran-tany ka nampihorohoro avy hatrany ireo mpifanandrina rehetra.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT