Sport

Tsipy kanetibe Malagasy Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Federasiona Malagasy


  • Alatsinainy 15 Aprily 2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny mpikambana ao amin’ny FMP “Federasiona Malagasin’ny taranja Tsipy kanetibe tarihan’ny filohany Beryl Razafindrainony

 

 

 ka namaly nivantana an’ireo fanaratsiana sy fiampangana an’ity rafitra ity hita tao anaty gazety sasantsasany eto amintsika sy ao anaty tambajotra sosialy samihafa nilaza fa manao “traffic –na licence” ity federasiona ity ary manasonia “mutation” ana mpilalao Malagasy milalao any ivelan’i Madagasikara. Teo koa ny filazana fa nandray vola 25 tapitrisa avy amin’ilay mpilalao kalaza Toutune ary mba mandray vola amin’ireo mpilalao Malagasy hafa te hilalao any ivelany koa. Tsy misy marina ireo rehetra ireo, hoy ny filohan’ny FMP Beryl Razafindrainony nanoloana ny mpanao gazety teny amin’ny Ans Ampefiloha tamin’ny sabotsy 13 aprily teo. Misy famoahana tsiambaratelo avy amin’ny Federasiona Iraisam-pirenen’ny Tsipy kanetibe ary firaisana tsikombakomba amin’ny As Petanque izay “consultant Malagasy any ivelany” te handrombaka ny toerana  ho filohan’ny FMP. Raha ny amin’ny resaka Toutoune indray dia manao “Parjure” ity mpilalao ity ka voatery hitory azy indray ny FMP tarihiko, hoy Atoa Beryl. Tokony hitory anay ireo mpanala baraka ireo, hoy izy, fa vonona ny hanaraka azy izahay ary handeha any amin’izay fitoriana ambony indrindra. Farany tsy rava izany ny FMP, hoy izy, fa mandeha tsara ankehitriny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT