Sport

Tsipy kanetibe Malagasy Hanomboka anio ny « Championnat de Mada 2019 Doublette Mixte »


  • Sabotsy 26 Janoary 2019

In-3 miantoana dia ny 26-27 janoary 2019 sy ny 16-17 febroary 2019 ary ny 09-10 martsa 2019 no hanatanterahana etsy amin’ny boulodrôme Paddock sy Cbt Mahamasina ny fifaninanana tsipy kanetibe fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara « doublette mixte » 2019.

 

 

 Ekipa 8 isaky ny dingana roa voalohany no hiatrika ny « Grande finale » hotanterahina ny 09-10  martsa ka izay ekipa tompondaka eo no hhisolotena an’i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany 2019 hotontosaina any Espagne. Marihana fa natokana ho an’ireo mpilalao manana « licence » ara-dalàna ity fifaninanana ity ary isak’ireo dingana telo ireo dia hahazo amboara lehibe 2 hatrany miampy lelavola 2.000.000 ar sy Smartphones orange 2 ary loka maro samihafa koa izay tafavoaka mpandresy. Ny mitana ny laharana faharoa kosa dia hahazo amboara 2 ihany koa miampy lelavola 1.000.000 ar sy smartphone orange 2 ary loka samihafa ihany koa. Ireo ekipa mitana ny laharana faha-3 sy faha-4 kosa dia hotolorana medaly 2  miampy lelavola 50.000 ar sy clé Usb orange 2 ary loka maro samihafa ihany koa. Marihina fa handoavan’ireo mpifaninana « mise » 20.000 ar hatrany ny fifaninanana izay hatrehany. Mba  hisorohana ny fiavian’ny orana mety hampitsahatra ny lalao dia hatomboka amin’ny 9 ora maraina hatrany ny fifaninanana rehetra.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT